Ephesians 2

1Ary ny momba anareo, dia maty tao anatin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo ianareo. 2Tao amin’ireny fahadisoana ireny no niainanareo taloha araka ny fomban’izao tontolo izao. Niaina araka ny mpanapaka ireo fahefana eny amin’ny rivotra ianareo, ilay fanahy izay miasa ao amin’ireo zanaky ny tsy fankatoavana. 3Niaina teo amin’ireny olona ireny avokoa isika taloha, nanatanteraka ireo filan-dratsin’ny nofontsika, ary nanatanteraka ny fanirian’ny nofo sy ny saina. Efa voahary ho zanaky ny fahatezerana, toy ny zanak’olombelona sisa isika.

4Saingy manan-karena famindram-po Andriamanitra noho ilay fitiavany lehibe izay nitiavany antsika. 5Tamintsika mbola maty tao anatin’ny fahadisoana, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy _ tamin’ny fahasoavana no namonjena anareo. 6Niara-natsangan’Andriamanitra isika, ary niara-napetrany tao an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy, 7mba afahany mampiseho antsika amin’ny vanim-potoana ho avy ny halehiben’ny haren’ny fahasoavany izay tsy azo refesina asehony amin’ny hatsaram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy.

8Fa tamin’ny fahasoavana no namonjena anareo tamin’ny alalan’ny finoana, ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezan’Andriamanitra. 9Tsy avy amin’ny asa ny fahasoavana mba tsy hisy hirehareha. 10Fa asan’Andriamanitra isika, noforonina tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa izay fandaharan’Andriamanitra efa ela ho antsika, mba handehanantsika ao amin’ireo.

11Noho izany tadidio fa Jentilisa tao amin’ny nofo ianareo taloha. Ianareo dia antsoina hoe “tsy voafora” eo amin’ireo izay antsoina hoe “voafora” ao amin’ny nofo nataon’ny tanan’olombelona. 12Satria mbola tafasaraka tamin’i Kristy ianareo tamin’izany fotoana izany. Mpivahiny ianareo teo amin’ny vahoakan’ny Israely. Ary vahiny tamin’ny faneken’ny fampanantenana ianreo. Tsy mbola nanana fanantenana ny amin’ny ho avy ianareo. Tsy niaraka tamin’Andriamanitra ianareo teto amin’izao tontolo izao.

13Fa ankehitriny ao amin’i Kristy Jesosy ianareo izay lavitra an’Andriamanitra taloha dia nampanakaikezina tamin’ny ràn’i Kristy. 14Satria Izy no fihavanantsika. Izy no nahatonga ny roa ho iray. Tamin’ny nofony no nandrodanany ny rindrin’ny fanoherana izay nampizarazara antsika. 15Izany hoe, nofoanany ny lalàn’ny didy sy ny fitsipika mba hanaovany olom-baovao iray ao Aminy, sy mba hanaovana fampihavanana. 16Kristy dia mampihavana ny vahoaka roa tonta ho vatana iray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hazofijaliana, ka mamono ny fanoherana.

17Fa tonga Jesosy ary nitory fihavanana ho anareo izay lavitra ary fihavanana ho an’ireo izay akaiky. 18Fa amin’ny alalan’i Jesosy no hananantsika roa tonta fifandraisana amin’ny Fanahy iray mankany amin’ny Ray.

19Noho izany, tsy vahiny sy mpivahiny intsony ianareo Jentilisa izao. Fa vao maika aza mpiray firenena miaraka amin’ireo izay olo-masin’Andriamanitra ianareo sady isan’ny ankohonan’Andriamanitra. 20Efa naorina teo amin’ny fototra fanorenan’ireo apostoly sy ireo mpaminany ianareo, ary Kristy Jesosy mihintsy no vato fehizoro. 21Ao Aminy no hikambanan’ny fanorenana rehetra ary hitomboany toy ny tempoly ao amin’ny Tompo. Ao Aminy ihany no hananganana anareo miaraka ho fitoerana ho an’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy.

22

Copyright information for PltULB